Nisy ny fihaonana notanterahina tao aminβny Digital Center Antaninarenina, ny 21 janoary 2025 niresahana sy nandinihina ireo fanatsarana ilaina ho fanovana ny Ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra CNTEMAD ho oniversite nomerika. Isanβny lahadinika ihany koa ny famolavolana tetiandro ho fanatanterahana izany ary ny fampivondronana ny lafiny teknika samihafa entina manantanteraka ny tetikasa.
Nitarika ity fivoriana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla CHAMINAH, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa StΓ©phanie DELMOTTE, ny Talen’ny AUF ho an’ny faritra Afrika atsinanana sy ny Ranomasimbe indiana, Ramatoa AΓ―ssatou SY-WONYU, ary ny Tale Nasionalinβny CNTEMAD, Dr Lalatina Christian ANDRIAMIRADO. Ity fandaharanβasa ity dia tohananβny AUF ara-teknika ary iarahanβireo ministera voakasikβizany.