SMATCHIN 10è Edition

SMATCHIN 10è Edition

par | Fév 14, 2024 | Actualité

Nanomboka ny 09 Martsa ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 17 Martsa 2024 lasa teo ny SMATCHIN andiany faha 10.

Toy ny fanao hatramin’izay sy ho fampivoarana ireo mpianatra ato aminy dia nandray anjara tamin’izany 10 ny CNTEMAD.Tsy zoviana amin’ny hafa fa manana kalaza amin’ity taranja basikety ity ihany koa ny mpianatra ato.

Anisany paikadim-pitantanana apetrakin’ny Talen’ny CNTEMAD Andrimatoa ANDRIAMIRADO Lalatina ho fampivoarana ity sekoly ity ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena, ary hiezaka handray anjara hatrany amin’ireo karazana fifaninana misy ny CNTEMAD, tsy hijanonana amin’ny taranja Basikety ihany fa hiitatra amin’ny taranja hafa koa.
Tamin’ity SMATCHIN andiany fahafolo ity dia tsy nitranga menatra ny sekoly fa tafiditra tao anatin’ireo ekipa efatra nanao ny lalao an-tsasan-dalana ary nahazo ny 2è dauphine teo amin’ny fifaninana hatsaram-bika sy tarehy.

Alefa CNTEMAD amin’ny andiany faha 11 isika mandrobaka amboara!!!

Autre articles

LOA-BARY AN-DASY

LOA-BARY AN-DASY

Tontosa ny Alarobia 08 Mai 2024 lasa teo ny famelabelaran-kevitra nataon'ny BIANCO tamin'ireo...