FIFANARAHANA FIOFANANA MIZATRA ASA : CNTEMAD – MINISITERA TOEKARENA SY NY FITATANAM-BOLA






Anisan’ireo toeram-pianarana ambony eto Madagasikara voasafidin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola hiarahamiasa ny CNTEMAD amin’ny fiofanana mizatra asa (« stage ») ireo mpianatra mandranto fianarana ao aminy.
Vita omaly Talata faha 12 Janoary 2021 ny fanaovan-tsonia izany fifanaraham-piarahamiasa izany.
Voarakitra ao anaty taratasy fifanarahana ihany koa ny ady amin’ny diplaoma osoka, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fikarohana, ary ny fampiofanana ireo mpiasan’ny Minisitera ho fanatsarana ny faripahaizana sy ny fahaizamanao.

3 commentaires sur “FIFANARAHANA FIOFANANA MIZATRA ASA : CNTEMAD – MINISITERA TOEKARENA SY NY FITATANAM-BOLA”

  1. ahoana no atao tompoko raha te hanao stage ao amin’ny Minisiteran’nyToekarena sy ny fitantanam-bola? L3 gestion aho izao!

    1. Miarahaba tompoko,

      Hatreto aloha dia ny taona fahaefatra « M1 » sy fahadimy « M2 » no noraisin’izy ireo fa misy ny fifanarahana amin’ny roa tonta fa misy « offre de stage » isan-taona. Koa ialana tsiny fa tsy mbola nandray « L3 » ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola.

      Hampilazana antsika manaraka eto ihany ny fisian’izany.

      Mankasitraka tompoko.

  2. mba te hiasa ao amin’io ministera io aho tompoko, sao dia afaka manampy ahy ianareo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *